Ahoana no fomba hampidirako razambe voalohany ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Ny razambe voalohany no mpikambana voalohany ao amin’ny firazanana Sinoa na ilay olona nanorina izany. Raha toa ianao ka mampiasa ny fijerena ny Razambe voalohany, dia amporisihanay ianao hanao ny fampidirana ny razambenao voalohany ho isan’ireo zavatra ataonao voalohany. Raha manana razambe voalohany maromaro ianao dia azonao atao ny mampiditra azy rehetra sy mampifamadi-toerana azy ireo rehefa ilaina.

Raha toa ka tsy fantatrao ny razambenao voalohany, na raha toa ka tsy mifototra amin’ny firazanana, sy ny tantaram-pianakaviana avy amin’ny lahy ny lovanao, dia amporisihanay ianao hampiasa efijery fijerena iray hafa.

Dingana (tranonkala)

Rehefa mivadika amin’ny fijerena ny Razambe voalohany amin’ny voalohany, dia hisy varavarankely hipoitra hanampy anao hampiditra ny razambenao voalohany. Raha toa ka tsy mipoitra izany dia ampiasao ny iray amin’ireto safidy azo atao ireto:

  1. Alaivo antoka fa ilay olona ifantohana marina no miseho eny amin’ny farany ambany amin’ny efijery.
  2. Misafidiana safidy azo atao iray mba hampidirana ny razambe voalohany:
    • Eo ambony, amin’ny toerana izay tokony hisehoan’ny anaran’ny razambenao voalohany, tsindrio ny Hampiditra razambe voalohany.
    • Eo amin’ny ilay olona ifantohana, tsindrio ny +, dia tsindrio ny Hampiditra razambe voalohany.
    • Tsindrio ny bokotra Safidy azo atao, dia tsindrio ny Hampiditra razambe boalohany. Raha toa ilay olona ka efa manana razambe voalohany dia tsindrio ny Misimisy kokoa. Avy eo tsindrio ny Hampiditra razambe voalohany.
  3. Ampidiro ny fampahalalana momba ny razambe voalohany ary tsindrio ny Manaraka, izay mipoitra rehefa avy manindry ny hoe Maty ianao. (Raha fantatrao ny laharam-pamantarana dia tsindrion ny Araka ny laharam-pamantarana.)
  4. Tsindrio ny Manaraka.
  5. Raha toa ny Rafi-tetiarana ka mahita olona izay mifandray amin’ny fikarohanao dia ataony lisitra izany. Mariho raha mila mampiditra olona mifandray na hampiditra olona vaovao.
    • Raha toa ilay olona ka efa ao amin’ny Rafi-tetiarana dia tsindrio ny Hampiditra olona mifandray.
    • Raha toa ilay olona ka tsy mbola ao amin’ny Rafi-tetiarana dia tsindrio ny Hampiditra olona vaovao.
    • Mba hanitsiana ny fikarohanao dia tsindrio ny Hanatsara ny fikarohana.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba hampisehoako razambe voalohany iray hafa ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Inona ilay hoe rohim-pirazanana ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no hanitsiako ny rohim-pirazanana ao amin’ny rafi-tetiarana?

Nanampy anao ve ity?