Ahoana no fomba ahafahako mangataka ny FamilySearch hamerina handefa email fanamarinana ho an’ny kaontiko?

Tonga ao anatin’ny minitra vitsy monja amin’ny ankapobeny ilay fanamarinana. Indraindray dia mila adiny 2–3 izany. Raha tsy tonga haingana izany dia ireto misy zavatra tsotra azonao jerena:

  • Avy amin’ny www.familysearch.org/register/ ilay email ary manana antony ao amin’ny objet manao hoe Complete Your FamilySearch Account Registration… (Vitao ny fisoratanao anarana amin’ny FamilySearch).
  • Jereo ny ao amin’ny misy ireo “email indésirable” na spam. Ataovy fikarohana ny hoe FamilySearch account, Complete your registration, na izy roa. Raha hitanao ao amin’ny misy ireo “email indésirable” na spam ilay email dia afindrao ao amin’ny dosie fototra na boaty fandraisana email izany. Azonao sokafina amin’izay izany dia tsindrio ilay rohy fampandehanana. Tsy miasa ao anatin’ny dosie misy ireo “email indésirable” na spam ireo rohy fampandehanana.
  • Hamarino irero kaonty email hafa anananao. 
  • Raha nisy diso ny adiresy email nampidirinao dia misorata anarana indray fotsiny hanitsiana ilay adiresy email.
  • Raha namorona ny kaontinao mihoatra ny 48 ora ianao dia tsy manan-kery ilay rohy ao amin’ny email. Miverena misoratra anarana fotsiny
  • Raha mbola misokatra ilay pejy fisoratana anarana, dia tsindrio ny bokotra handefasana indray ny email fampandehanana. Aza hadinoina ny mampiasa ny email fanamarinana farany indrindra, satria efa tsy miasa ireo rohy ao amin’ireo email hafa.

Raha afaka miditra ao amin’ny kaontinao ao amin’ny FamilySearch.org ianao dia ataovy izany. Avy eo dia safidio ny anarana eo amin’ny zorony havanana ambony, dia safidio ny Fikirakirana mba hanamarinana fa mandeha ny safidy famerenana.

Azonao ampiasaina ny adiresy email anao, na ny laharan’ny findainao, na izy roa ho kaonty famerenana.

  • Safidy amin’ny adiresy email:
    • Eo ambanin’ny adiresy email anao, raha mbola tsy nalefa izany, ianao dia mahira hoe Hamarino io adiresy io. Tsindrio ireo teny misy rohy ary vakio izao hafatra izao:

      “Mba hamarino ny adiresy email anao azafady

      “Nisy email fanamarinana nalefa tany amin’ny [email address here]. Rehefa nohamarinina dia azonao ampiasaina io adiresy email io mba hamerenana ny fampahalalana momba ny fidiranao. Ho lany daty ao anatin’ny 48 ora ny rohy fanamarinana.

      Manana ireto safidy ireto ianao: Mandefa indray ny email na Manakatona.

  • Safidy amin’ny laharan’ny finday:
    • Raha mbola tsy mandeha ny laharan’ny finday iray dia hahita hafatra ianao manao hoe: Hamarino ity laharana finday ity. Raha tsindrinao ireo teny misy rohy dia miseho izao hafatra izao:

      “Jereo ireo hafatra an-tsoratra

      “Nandefasana kaody fanamarinana ao amin’ny laharana +1 [phone number here] mba hahafahan’ny FamilySearch mampiasa an’io laharana io hanarenana kaonty.

      “Ampidiro ny kaody fanamarinana”

      [Box for entering the code is here].

      Manana ireto safidy ireto ianao eo ambanin’ny efijery: Hanafoana, HANDEFA INDRAY NY KAODY, ary HANAMARINA.

Raha mbola manana olana foana ianao amin’ny fikirakirana na fampandehanana ny kaonty FamilySearch anao dia aza misalasala mifandray amin’ny FamilySearch.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba hamoronako kaonty FamilySearch maimaim-poana?
Afaka mamorona kaonty amin’ny alalan’ny adiresy email iombonana ve aho?
Ahoana no fomba ahafahako mamorona kaonty maimaim-poana ho an’ny ankizy iray?

Nanampy anao ve ity?