Ahoana no fomba hampiasako an’ilay fijerena ny tabilao miendrika fikopahana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Ahitana tombontsoa maro ilay Tabilao Fikopahana:

  • Afaka mahita hatramin’ny taranaka 7 indray mandeha amin’ireo razambenao ianao.
  • Azonao fantarina hoe aiza ny rohim-pianakaviana no mifarana, raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe aiza no tsy ampy fampahalalana.
  • Hitanao eo ny firenena niterahan’ireo razambe tsirairay, ary iza no razambe manana sary sy tantara ary loharano mipaingotra aminy ao amin’ny pejin’ny olona.
  • Azonao sady jerena eo amin’ny efijery ilay tabilao miendrika fikopahana no avadika ho raki-tahiry PDF hatao printy.

Dingana (tranonkala)

  1. Eo amin’ny zava-misy eny amin’ny farany ambony, tsindrio ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana, ary tsindrio avy eo ny Hazon’ny tetiarana.
  2. Eo amin’ny faritra ambony ankavanana eo amin’ny fijerena ny rohim-pianakaviana dia tsindrio ny anaran’ny endrika miseho amin’izao (endrika mitsivalana ohatra), avy eo dia tsindrio ny Tabilao fikopahana.
  3. Tsindrio ny mba hanaovana izao manaraka izao:
    • Fidio ny isan’ny taranaka haseho.
    • Fidio raha toa tianao ilay tabilao hampiseho ny Rohim-pianakaviana, na ny Firenena nahaterahana, na ny Loharano, na ny Tantara, na ny Sary, na ny Fanampiana amin’ny fikarohana. Ny fampahalalana dia tafiditra ao amin’ny endrika natao printy an’ilay tabilao (jereo ny dingana 8).
    • Avadio ireo loko.
    • Ataovy printy ilay tabilao miendrika fikopahana ho an’ny taranaka 7 (4 no farany ambany). Ilay endrika vita printy dia ahitana ireto fampahalalana manaraka ireto: Rohim-pianakaviana, Firenena nahaterahana, Loharano, Tantara, Sary, ary Fanampiana amin’ny fikarohana.
  4. Raha toa ka manana zanaka mihoatra ny 5 ilay olona fototra dia tsindrio ny > mba hijerena ny ambiny.
  5. Raha hamindra olona iray hafa ho eo anivon’ilay tabilao dia tsindrio ny anaran’ilay olona, avy eo dia tsindrio ny Hazon’ny tetiarana.

Dingana arahina ho an’ny application Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ho an’ny fitaovana finday amin’ny Apple iOS

  1. Eo amin’ny farany ambany havanana amin’ny tetiaranao dia kitiho
  2. Eo amin’ny fijerena rohim-pihavanana dia kitiho ny .
  3. Kitiho mba hisafidianana ny fomba hisehoan’ny tabilao: Fijerena hatrany am-potony, Firenena nahaterahana, Loharano, Tantara, Sary, Fanampiana amin’ny fikarohana.
  4. Eo an-tampony, eo ambanin’ny fijerena Rohim-pianakaviana, tsindrio ny [isan’ny] Taranaka. Kitiho mba hisafidianana ny isan’ny taranaka haseho.
  5. (Tsy voatery) Raha toa ka manana zanaka mihoatra ny 5 ilay olona fototra dia kitiho ny > mba hijerena ny ambiny.
  6. (Tsy voatery) Afaka mamindra olona hafa ho eo amin’ny ivony ianao. Kitiho ny anarana dia kitiho ny teboka telo (…) eo ambony havanana. Kitiho ny Hijery ity Hazon’ny tetiarana ity.

Dingana arahina ho an’ny application Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ho an’ny fitaovana finday amin’ny Android

  1. Eo amin’ny zoro farany ambony havia dia kitiho ny sary famantarana andalana 3
  2. Kitiho ny Fikirakirana.
  3. Kitiho ny Application.
  4. Tsindrio ny Hampandeha ny fijerena ny tabilao Fikopahana.
  5. Raha hiverina amin’ilay hazon-tetiarana dia kitiho indroa ny tondro havia.
  6. Eo amin’ny farany ambany havanana amin’ilay tabilao dia kitiho
  7. Eo an-tampony efijery vaovao, [isan’ny] Taranaka. Kitiho mba hisafidianana ny isan’ny taranaka haseho.
  8. Kitiho hisafidianana raha toa tianao ilay tabilao hampiseho ny Rohim-pianakaviana, na ny Firenena nahaterahana, na ny Loharano, na ny Tantara, na ny Sary, na ny Fanampiana amin’ny fikarohana.
  9. Apetraho eo amin’ny tampon’ny efijery fisafidianana ny rantsan-tanana iray dia akisaho midina.
  10. (Tsy voatery) Raha toa ka manana zanaka mihoatra ny 5 ilay olona fototra dia kitiho ny > mba hijerena ny ambiny.
  11. (Tsy voatery) Afaka mamindra olona hafa ho eo amin’ny ivony ianao. Kitiho ny anarana dia kitiho ny teboka telo (…) eo ambony havanana. Kitiho ny Hijery ity Hazon’ny tetiarana ity.

Dingana (Family Tree Lite)

Tsy afaka mampiseho ny tabilao miendrika fikopahana ianao ao amin’ny Family Tree Lite.

Lahatsoratra mifandray

Inona avy ny endrika isehoan’ny fijerena rohim-pihavanana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no fomba hampifamadihako ny toeran’ny ray na reny na vady mba hanovana ny rohim-pihavanana miseho ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Nanampy anao ve ity?