Bokim-pahatsiarovana sy tantara

Azo ampidirina ao amina bokim-pahatsiarovana sy tantara ny fahatsiarovana tsirairay. Fomba tsara iray entina handaminana ireo fahatsiarovana mahakasika olona na lohahevitra iray izany. Manamora ny fizarana fahatsiarovana manan-danja amin’ny fianakaviana ihany koa izany.

Bokim-pahatsiarovana

Ny tantara, sary sy raki-tahiry ary raki-peo dia azo ampidirana ao amina bokim-pahatsiarovana. Azo zaraina amin’ny endrika angon-tsary izany na andian-tsary mifandimby (diaporama). Toy izao ny fandehan’izany.

Tantara

Sary ihany no azo ampidirina ao amin’ny tantara. Ny tantara dia fomba tena tsara hitahirizana fampahalalana manan-danja momba ny fianakaviana amin’ny alalan’ny sary izay maneho antsipiran-javatra.

Zavatra hafa fanampiny

Ahoana no fomba handefasako amin’ny alalan’ny diaporamana ireo sary sy raki-tahiry momba an’ireo razambeko?
Ahoana no fomba hampidirako fahatsiarovana ao amin’ny bokim-pahatsiarovana iray?
Ahoana no hampidirako tantara ao amin’ny Ireo Fahatsiarovana?
Ahoana no ampidirako sary ao amin’ny tantara noforoniko?

Nanampy anao ve ity?