Inona avy ireo famerana momba ny sary ao amin’ny raki-tantara?

Ao amin’ny FamilySearch, ny sary sasany dia misy famerana na fetra izay mamaritra hoe iza no afaka mahita azy ireo na aiza no ahitanao azy ireo. Azonao atao ny mijery sary sasany ao amin’ny tranonkalan’ny mpiara-miasa iray, indraindray misy sarany. Amin’ny toe-javatra sasany dia afaka mahazo lalana miditra ianao amin’ny alalan’ny fitsidihana ny ivon-toeran’ny FamilySearch iray na tranomboky mifandray amin’izany. 

Ity misy lisitry ny famerana mety ho hitanao rehefa mampiasa ny raki-tantara ianao.

Hafatra milaza ny satan’ny saryIza no afaka mijery ilay sary
Tsy misy sary azo jerena.Ny FamilySearch dia manana fanoroana lohahevitra manaraka ny abidia ho an’ireo firaketana izay misy. Mety misy tranonkala hafa manana ireo sary. 
Mipoitra ao amina efamira misy hafatra miloko mavokely ny hoe "Tsy mbola misy io sary io".Raha mandray io hafatra io ianao dia araho ireto dingana ireto:
  1. Fafao ireo raki-tahiry tsy mitoetra maharitra sy ireo cookies.
  2. Azonao atao ny manandrana indray amin’ny daty any aoriandriana mba hahitana raha lasa misy ireo sary.
  3. Raha mbola mitohy ny olana dia andramo ny mampiasa mpitety internet hafa.
  4. Raha mbola mitohy ny olana dia miandrasa mandritra ny minitra vitsivitsy ka andramo indray.
  5. Raha mbola mitohy ny olana, dia mifandraisa amin’ny Sampana misahana ny fanampiana an’ny FamilySearch mba hahafahanay manao fanadihadiana momba ilay olana. 

Sary misy

Raha hijery ireo sary ireo dia ataovy ny iray amin’ireto manaraka ireto:

  • Hiditra ny tranonkala amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch.
  • Hiditra ny tranonkala any amin’ny tranomboky mifandray.
Ireo sary ireo dia hita ao amin’ny FamilySearch. Midira ao amina ivon-toeran’ny FamilySearch na tranomboky mifandray raha te hahita azy ireo.
Sary misy
Raha hijery ireo sary ireo dia ataovy ny iray amin’ireto manaraka ireto:
  • Hiditra ny tranonkala amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch.
Ireo sary ireo dia hita ao amin’ny FamilySearch ao amina ivon-toeran’ny FamilySearch. Midira ao amina ivon-toeran’ny FamilySearch raha te hahita azy ireo.
Sary misy
Raha hijery ireo sary ireo dia ataovy ny iray amin’ireto manaraka ireto:
  • Mety ho afaka hijery an’io sary io ianao rehefa mitsidika ny iray amin’ireo tranonkalan’ireo mpiara-miombon’antoka aminay na ny mpitahiry firaketana ara-dalàna (mety hisy sarany).
Mety ho hita ao amina tranonkalan’ny mpiara-miombon’antoka iray na maromaro ireo sary. 

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba hamafako ireo cookies sy raki-tahiry tsy mitoetra maharitra rehetra notehirizin’ny mpitety internet fampiasako?
Nahoana no misy famerana momba ny sary ao amin’ny raki-tantara?
Ny tranomboky mifandray aminay dia mila fahafahana mahita ireo sary misy famerana
Nahoana no nanjavona tao amin’ny FamilySearch ny raki-tantara sasantsasany?

Nanampy anao ve ity?