Aiza no ahitako fanampiana momba ny tetiarako?

Raha manahirana anao ny fanaovana fikarohana amin’ny tetiaranao dia manolotra safidy maro ny FamilySearch hahazoana fanampiana.

  • Ny vakizoro fikarohana ao amin’ny FamilySearch dia manome fahafahana anao hikaroka firaketana, tetiarana, boky na zavatra hafa.
  • Ny Fikarohana Wiki an’ny FamilySearch dia toerana tena tsara hianarana ireo fomba fikarohana sy hahitana loharano vaovao.
  • Ny Fizahana ny tranombokin’ny FamilySearch an-jotra dia maimaim-poana, fizahana mandritra ny 20 minitra miaraka amin’ny matihanina iray avy amin’ny Tranombokin’ny tantaram-pianakaviana.
  • Raha mila fampianarana an-jotra na horonan-tsary ianao dia tsidiho ny Ivon-toerana misahana ny fanampiana momba ny FamilySearch ho an’ny firenena, na fiteny, na lohahevitra. Afaka mahita lesona ho an’ny olona rehetra ianao manomboka amin’ny olona vao manomboka ka hatramin’ny mpikaroka efa za-draharaha.
  • Ny vondrom-piarahamonin’ny FamilySearch dia manome fahafahana anao hifandray amin’ireo matihanina amin’ny fikarohana izay mazoto sy vonona ny hanolotra fanampiana maimaim-poana sy hizara loharanom-pahalalana. Hitanao ao amin’ny Facebook sy ao amin’ny Vondrom-piarahamonin’ny FamilySearch ireo vondrona ireo.
  • Matetika izahay no mamoaka lahatsoratra momba ny fikarohana sy lohahevitra maro momba ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny bilaoginay.
  • Afaka mahita fanampiana natao manokana ho anao eo an-toerana ianao any amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch. Hita maneran-tany ireo ivon-toerana. Mitadiava iray akaiky anao.
  • Raha mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianao dia tsidiho ny Ivon-toerana misahana ny fanampiana momba ny FamilySearch. Fantaro hoe iza ireo mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana eo an-toerana misy anao.

Maro ihany koa ireo fikambanana hafa izay manolotra fanampiana. Ny Random Acts of Genealogical Kindness (RAOGK) ohatra, dia fikambanana iraisam-pirenena ahitana mpirotsaka an-tsitrapo izay ahafahanao manao fangatahana fanampiana amin’ny resaka fikarohana.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no ahazoako fanampiana rehefa mampiasa ny FamilySearch.org?
Ahoana no hanaovako fikarohana ao amin’ny Fikarohana Wiki an’ny FamilySearch?
Afaka manakarama mpahay tetiarana amin’ny alalan’ny FamilySearch ve aho?
Torohevitra enti-mikaroka ho an’ny rakitra ara-tantara
Mampiasa ny tetiarana ao amin’ny FamilySearch mba hitadiavana ny fianakavianao

Nanampy anao ve ity?