Ahoana no ataoko raha te hamafa olona iray avy ao amin’ny Rafi-tetiarana aho?

Azonao fafana hiala tao amin’ny Rafi-tetiarana ny firaketana momba ny olona iray efa maty, raha ianao no nampiditra azy tao ary tsy nisy olona nanova ny fanazavana momba azy. Azonao fafana koa ny firaketana momba ny olona iray mbola velona, raha ianao no nampiditra azy tao amin’ny Rafi-tetiarana.

Hiseho ilay hafatra hoe “Tsy Afaka Mamafa Olona Ianao” raha tsy afaka mamafa olona iray ianao. Mety hitranga izany raha toa ka nisy olona hafa nanampy fanazavana hafa tamin’ilay firaketana (anisan’izany ny loharano, fahatsiarovany, ny havany, sns) Tsy ho azonao fafana ny firaketana iray raha nisy olon-kafa nanova an’ilay izy, sady tsy ianao irery intsony mantsy no tompon’ilay fanazavana.

Mialoha ny hanombohanao

Mety hiseho ireto fanovana ireto rehefa mamafa firaketana iray ianao:

  • Hofafan’ny Rafi-tetiarana ny rohim-pihavanany amin’ny olon-kafa.
  • Tsy ho azo ovana intsony ilay firaketana.
  • Amin’ny alalan’ny laharam-pamantarana ihany no ahafahana mikaroka an’ilay firaketana.

Somary mampatahotra ihany io dingana io. Matokisa anefa fa mbola misy fomba azo amerenana an’ireo firaketana voafafa na ny fifandraisany eo amin’ny hoe Fanovana Faramparany. Raha te hahay misimisy, dia jereo ireo lahatsoratra mifandray aminy eo amin’ny rohy eny ambany.
Raha tsy afaka mamafa firaketana iray ianao, dia aza esorina azafady ny fanazavana momba azy mba hanafenana azy. Mifandraisa fotsiny amin’ny FamilySearch Support.

Raha hitanao fa nisy olona nanova firaketana iray mba hanafenana azy fotsiny, dia ampiasao azafady ilay hoe Hitatitra tsy Fanarahan-dalàna eo amin’ny Firaketan’ilay olona. Hisy ekipa handinika momba an’ilay izy ary hanao zavatra mifanaraka amin’izay.

Dingana (tranonkala)

  1. Eo amin’ny zava-misy eny amin’ny farany ambony, tsindrio ny Rafi-tetiarana, ary tsindrio avy eo ny Tetiarana.
  2. Tadiavo ilay olona tianao hofafana.
  3. Tsindrio ny anaran’ilay olona. Rehefa misy hafatra mipoitra eo, dia tsindrio indray ny anarany. Ho voatarika any amin’ny pejin’ilay olona ianao.
  4. Tsindrio ny vakizoro hoe Antsipiriany .
  5. Midìna eo amin’ny fizarana hoe Fitaovana eo amin’ny tsanganana eo ankavanana.
  6. Tsindrio ny Hamafa ny Olona. Raha milaza ilay rohy hoe Tsy Afaka Mamafa Olona Ianao, dia midika izany fa efa nisy olon-kafa nanova an’ilay firaketana. Ireo ary misy soso-kevitra hafa:
    • Raha tsy nisy mihitsy ilay olona, dia mifandraisa amin’ny FamilySearch Support.
    • Hamafa ny rohim-pihavanana.
    • Hanambatra rakitra verin-droa.
    • Hanova zavatra misy diso.
    • Ampidiro ny loharano nakànao ny fanazavana.
  7. Hamarino indray ny fampahalalana eo amin’ny hafatra hoe Hamafa Olona.
  8. Hazavao ny antony hamafanao io olona io.
  9. Mariho ilay efajoro mba hanamafisana fa efa nohamarininao ny rohim-pihavanany ary nambaranao ny antony.
  10. Tsindrio ny Hamafa.

Dingana (application ho an’ny finday)

  1. Sokafy ilay application Rafi-tetiarana, ary tadiavo ny firaketan’ilay olona tianao hofafana.
  2. Tsindrio ireo teboka telo eo amin’ny sisiny ankavanana.
    • Raha Android: Tsindrio Hamafa ny Olona.
    • Raha Apple iOS: Tsindrio Fanampiny, avy eoHamafa ny Olona.
    • Raha misy hafatra hoe Tsy Afaka Mamafa Olona Ianao , dia tsy azonao fafana izay ilay olona. Raha tsy izany dia Izao indray ary no atao.
  3. Hamarino indray eo amin’ny hafatra hoe Hamafa Olona.
  4. Hazavao ny antony hamafanao ilay olona.
  5. Tsindrio ny Hamafa.

Dingana (Family Tree Lite)

Tsy ahafahana mamafa firaketan’olona iray ny Family Tree Lite.

Mametraha fanontaniana ao amin’ny FamilySearch Community

Raha manana fanontaniana fanampiny ianao, dia apetraho ao amin’ny FamilySearch Community ny fanontanianao.

  1. Midira ao amin’ny FamilySearch Community.
  2. Tsindrio FamilySearch Help.
  3. Tsindrio izay lohahevitra tandrify ny fanontanianao.
  4. Tsindrio New Post [Hafatra vaovao].
  5. Fintino ny fanontaniana tianao hapetraka.
  6. Ampio fanazavana, eo amin’ny efajoro ambanin’ny hoe Fanontaniana. Eo no hampidiranao ny laharam-pamantaran’ilay Rafi-tetiarana, anarana fenon’ilay olona, ary ny rohim-pihavananareo. Aza mampiditra fampahalalana saro-pady toy ny solon’anarana, laharan’ny mpanampy, na adiresy mailaka.
  7. Raha hanampy fanazavana, dia tsindrio ilay famantarana fametahana taratasy.
  8. Tsindrio Hametraka Fanontaniana.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no hamerenako indray ireo firaketana voafafa tao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no iarovan’ny Rafi-tetiarana ny tsiambaratelon’ny olona iray mbola velona?
Ahoana no handravonako firaketana verin-droa ao amin’ny Rafi-tetiarana ?
Ahoana no handravonako firaketana verin-droa an’olona mbola velona na olona tiana hotazomina tsiambaratelo ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Nanampy anao ve ity?