Ahoana no fomba hamoronako kaonty FamilySearch maimaim-poana?

Ny kaonty FamilySearch maimaim-poana dia manome fahafahana miditra bebe kokoa amin’ny loharano ao amin’ny tranonkala FamilySearch.

Mialoha ny hanombohanao

  • Afaka mamorona kaonty avokoa ny olona mihoatra ny 13 taona.
  • Raha nahazo alalana avy amin’ny ray aman-dreny dia afaka mamorona kaonty ny ankizy 8-12 taona.
  • Izahay dia mamporisika ny hampiasan’ny olona tsirairay adiresy mailaka na laharan-telefaona finday manokana. Ny fanaovana izany dia manamora ny fanarenana solon’anarana na fanavaozana tenimiafina.
  • Rehefa mamorona kaonty ianao dia mety efa misy mampiasa ny solon’anarana nosafidianao. Raha izany no izy, ilay rafitra dia manolotra karazany vitsivitsy azonao hisafidianana. Na azonao atao ny mampiditra solon’anarana hafa.
  • Manoro hevitra anao izahay hampiasa zavatra hafa ankoatra ny adiresy mailakao ho solon’anaranao.
  • Raha mampiasa ny adiresy mailakao ho solon’anaranao ianao dia mba ampidiro ihany koa ny laharana finday mba hanamora ny fanarenana ny kaonty.

Dingana (tranonkala)

  1. Mandehana ao amin’ny FamilySearch.org, ary tsindrio ny Hamorona kaonty.
  2. Ampidiro ny fampahalalana takina, ary tsindrio ny Hanohy.
  3. Ampidiro ny solon’anarana sy ny tenimiafina.
  4. Tsindrio ilay zanatsipika kely midina, ary misafidiana fomba iray hanarenana. Raha tsy ao anatin’ny lisitry ny toerana ny firenenao dia tsy maintsy mampiasa adiresy mailaka ianao ho fanarenana.
  5. Raha hanaiky an’ireo fepetra dia asio marika ilay efajoro kely. Tsindrio ny Hamorona kaonty.
  6. Ampandehano ny kaontinao. Mitadiava hafatra ao amin’ny kaonty mailakao na hafatra an-tsoratra amin’ny findainao.

Dingana (applicationho an’ny finday)

  1. Sokafy ny rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch na ny application Souvenirs ao amin’ny fitaovana findainao.
  2. Kitiho ny Hamorona kaonty maimaimpoana.
  3. Ampiasao ny torolalan’ilay tranonkala rehefa mamorona ny kaontinao ianao.

Dingana (Family Tree Lite)

  1. Mandehana ao amin’ny Family Tree Lite.
  2. Tsindrio ny Hamorona kaonty maimaimpoana.
  3. Ampiasao ny torolalan’ilay tranonkala rehefa mamorona ny kaontinao ianao.

Soso-kevitra ho an’ny dingana manaraka

Avereno jerena ny fampahalalana ahafahana mifandray aminao sy ny safidinao mikasika ny fampandrenesana ao amin’ny fikirakirana ny FamilySearch anao.

Mangataka fanampiana

Raha sendra olana ianao dia mifandraisa amin’ny Sampam-panampiana an’ny FamilySearch.

Vahaolana amin’ny olana mahazatra

Ireto misy hafatra izay midika fa mety efa manana kaonty ianao:

  • "Mino izahay fa efa misy io kaonty io."
  • "Efa ampiasaina amin’ny kaonty iray ny laharana finday nampidirinao."
  • "Efa ampiasaina amin’ny kaonty iray io laharan’ny firaketana ao amin’ny Fiangonana io."

Fanamarihana ho an’ireo mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

  • Mety manana kaonty ao amin’ny Fiangonana ho an’ny tranonkalan’ny Fiangonana na applications an’ny Fiangonana toy ny Outils ianao. Ianao dia tsy mila kaonty manokana ho an’ny FamilySearch.org. Tsindrio ny Hiditra amin’ny alalan’ny Kaonty ao amin’ny Fiangonana eo amin’ny pejy fidirana.
  • Mila mamorona kaonty FamilySearch ianao raha hampiasa ny rafi-tetiarana na ny application Souvenirs ao amin’ny finday.
  • Raha misafidy ny hamorona kaonty FamilySearch ianao, dia ampiasao ny dingana ao amin’ilay tranonkala.
    • Tsindrio ilay efajoro eo amin’ny efijery voalohany mba hanehoana fa mpikamban’ny Fiangonana ianao.
    • Ampidiro ny laharan’ny firaketana anao ao amin’ny Fiangonana. Raha tsy hitanao izany, dia tsindrio ao amin’ilay efajoro, ary avy eo dia tsindrio ny Hanohy.
  • Raha hanampy ny laharan’ny firaketana ao amin’ny Fiangonana amin’ny kaonty efa misy dia mandehana any amin’ny Fikirakirana ny kaonti[nao]. Tsindrio ny Hampiditra laharan’ny firaketana ao amin’ny Fiangonana any amin’ny faran’ny pejy.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba ahafahako mangataka ny FamilySearch hamerina handefa email fanamarinana ho an’ny kaontiko?
Ahoana no fomba ahafahako mangataka kaody fanamarinana indray mba hampandehanana ny kaontiko FamilySearch?
Ahoana no fomba ahafahako mamorona kaonty maimaimpoana ho an’ny ankizy iray?
Inona avy ireo fitsipika momba ny solon’anarana sy ny tenimiafina?
Afaka mamorona kaonty amin’ny alalan’ny adiresy email iombonana ve aho?
Ahoana no ahafahako hanampy olona iray hafa hamorona kaonty?

Nanampy anao ve ity?