Ahoana no fomba ahafahako mamorona kaonty maimaimpoana ho an’ny ankizy iray?

Na iza na iza 13 taona no ho miakatra dia afaka misoratra anarana amin’ny kaonty FamilySearch tsy mila fahazoan-dalana avy amin’ny ray aman-dreny.

Ny ankizy 8–12 taona dia afaka misoratra anarana amin’ny kaonty FamilySearch rehefa nahazo alalana avy amin’ny ray aman-dreny. Ity kaonty ity dia azo foronina ao amin’ny churchofjesuschrist.org na FamilySearch.org.

Ireo ankizy izay efa manana kaonty ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia afaka miditra ao amin’ny FamilySearch.org amin’ny fampiasana ny solon’anarana sy ny tenimiafina amin’io kaonty io amin’ny alalan’ny fisafidianana ny bokotra Hiditra amin’ny alalan’ny kaonty ao amin’ny Fiangonana ao amin’ny tranonkala.

Hanome fahazoan-dalana ao amin’ny churchofjesuschrist.org

Ny ray aman-dreny sy ny mpiambina ara-dalàna izay mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia afaka mamorona kaonty sy manome fahazoan-dalana ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Afaka manova ny tenimiafin-janany sy mamafa ny kaontin-janany koa ny ray aman-dreny.

Raha mila torolalana dia midira ao amin’ny kaontinao ao amin’ny churchofjesuschrist.org, sokafy ny fikirana ny kaontinao, ary tsindrio ny Fanampiana.

Hanome fahazoan-dalana amin’ny alalan’ny FamilySearch.org

Afaka mamorona kaonty ao amin’ny FamilySearch.org ihany koa ny ray aman-dreny sy ny ankizy. Tsy ilaina ny maha-mpikamban’ny Fiangonana.

Mandritra io dingana io, ny ray aman-dreny na ny mpiambina ara-dalàna dia afaka misafidy fomba 1 amin’ny 3 hanomezana fahazoan-dalana ara-dalàna ho an’ny ankizy iray mba hisoratra anarana ao amin’ny FamilySearch.

  • Laharan’ny Firaketana an’ny Fiangonana (mety indrindra ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany)
  • Email
  • Laharana fandefasan-kafatra

Ao amin’ny fizotry ny famoronana kaonty dia alefa any amin’ny adiresy email na laharana fandefasan-kafatra an’ny ray aman-dreny na mpiantoka ny laharan’ny fanekena avy amin’ny ray aman-dreny (raha tsy hoe mamorona ny kaonty miaraka amin’ny laharan’ny firaketana an’ny Fiangonana). Hametraka fomba fanarenana kaonty ihany koa ianao raha toa ka hadinon’ny zanakao ny mombamomba azy. Ho an’ny kaonty noforonina niaraka tamin’ny laharan’ny firaketana an’ny Fiangonana dia io laharana io ihany no ampiasaina hamerenana azy.

Ny ambiny amin’ity lahatsoratra ity dia mamaritra ny fomba hamoronana ny kaonty avy amin’ny FamilySearch.

Dingana (FamilySearch.org)

Raha hamorona kaonty ho an’ny ankizy 8 ka hatramin’ny 12 taona dia araho ireto dingana ireto.

  1. Mandehana ao amin’ny vokatra iray an’ny FamilySearch, ary ampiasao ny iray amin’ireto safidy ireto:
    • Mandehana ao amin’ny tranonkala FamilySearch.org ao amin’ny navigateur iray, ary tsindrio ny Hamorona kaonty.
    • Sokafy ny appli ho an’ny finday Rafi-tetiarana na Fahatsiarovana ary tsindrio Hamorona kaonty maimaim-poana.
  2. Ampidiro ao amin’ny taratasy fenoina ho famoronana kaonty ny mombamomba ilay ankizy, dia tsindrio ny Hanohy.
  3. Mipoitra ny efajoro hifampiresahana hoe Ilaina ny Fahazoan-dalana avy amin’ny ray aman-dreny na mpiambina. Afaka misafidy ny hanome fahazoan-dalana ianao amin’ny alalan’ny:
    • Laharan’ny Firaketana an’ny Fiangonana (jereo ny dingana 4)
    • Hafatra an-tsoratra (jereo ny dingana 5)
    • Email (jereo ny dingana 6)
  4. Raha hanome faneken’ny ray aman-dreny amin’ny alalan’ny fampidirana ny laharan’ny firaketana an’ny Fiangonana dia araho ireto dingana ireto.
    1. Safidio ny Hampiasa ny laharan’ny firaketana an’ny Fiangonana an’ny ray na reny (tsara kokoa).
    2. Ampidiro ny Laharan’ny firaketana an’ny Fiangonana anao manokana (ilay ray na reny na mpiambina). Avy eo dia tsindrio ny Hanohy.
    3. Manaraka, ampidiro ny laharan’ny firaketana an’ny Fiangonana an’ny zanakao, dia tsindrio ny Hanohy.
    4. Fenoy ireo faritra ambiny dia tsindrio ny Hamorona kaonty.
    5. Midira ao amin’ny kaonty FamilySearch mba hamitana ny fisoratana anarana. Raha hadinon’ny zanakao ny mombamomba azy entina miditra ao dia ilaina ny laharan’ny firaketana an’ny Fiangonana mba hamerenana azy.
  5. Mba hanomezana fahazoan-dalana avy amin’ny ray aman-dreny amin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra dia araho ireto dingana ireto.
    1. Amin’ny fampiasana hafatra an-tsoratra avy amin’ny safidy midina, safidio ny Hangataka amin’ny ray aman-dreny, dia ampidiro ny laharan’ny hafatra. Tsindrio ny Hanohy.
    2. Fenoy ireo faritra ambiny dia tsindrio ny Hamorona kaonty. Hisy laharana fanamarinana ny faneken’ny ray aman-dreny alefa any amin’ny findain’ny ray aman-dreny.
    3. Ny efijery manaraka dia mangataka ny laharana fanamarinana ny faneken’ny ray aman-dreny izay nalefa tany amin’ny findain’ny ray aman-dreny na ny mpiambina tamin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra. Ampidiro ilay laharana fanamarinana, ary tsindrio Handefa.
    4. Manaraka, ampidiro laharana fandefasan-kafatra na adiresy email mba hamerenana ny kaonty, sao hadinon’ny zanakao ny fampahalalana ahafahany miditra.
    5. Raha nisafidy ny fanarenana amin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra ianao dia ampidiro ny laharana fanamarinana nalefa tamin’ny finday, ary tsindrio Handefa.
    6. Raha misafidy email ianao, dia sokafy ny email, ary tsindrio ny Hamita ny fisoratana anarana.
    7. Midira ao amin’ny kaonty FamilySearch mba hamitana ny fisoratana anarana.
  6. Mba hanomezana fahazoan-dalana avy amin’ny ray aman-dreny amin’ny alalan’ny email dia araho ireto dingana ireto.
    1. Amin’ny fampiasana ny email avy amin’ny safidy midina, safidio ny Hangataka amin’ny ray aman-dreny, dia ampidiro ny adiresy email. Tsindrio ny Hanohy.
    2. Mitohy ny famoronana kaonty. Fenoy ireo faritra ambiny dia tsindrio ny Hamorona kaonty. Hisy hafatra miaraka amin’ny rohy ho an’ny faneken’ny ray aman-dreny alefa any amin’ny email an’ny ray aman-dreny.
    3. Ny efijery manaraka dia mangataka ny laharana fanamarinana ny faneken’ny ray aman-dreny izay nalefa tany amin’ny email an’ny ray aman-dreny na ny mpiantoka. Ampidiro ilay laharana fanamarinana, ary tsindrio Handefa.
    4. Mampidira laharana fandefasan-kafatra na adiresy email ho fanarenana ny kaonty raha toa ka hadinon’ny zanakao ny fampahalalana hidirana amin’izany.
    5. Raha nisafidy ny fanarenana amin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra ianao dia ampidiro ny laharana fanamarinana nalefa tamin’ny finday, ary tsindrio Handefa.
    6. Raha misafidy email ianao, dia sokafy ny email, ary tsindrio ny Hamita ny fisoratana anarana.
    7. Midira ao amin’ny kaonty FamilySearch mba hamitana ny fisoratana anarana.

Tsy tonga ilay email na hafatra fanamarinana

Raha tsy tonga avy hatrany ny email na hafatra fanamarinana dia tehirizina mandritra ny 48 ora ny fivoaran’ny kaontinao. Mandritra izany fotoana izany dia azonao atao ny iray amin’ireto manaraka ireto mba hanomezana alalana:

  • Midira ao amin’ny kaontinao ao amin’ny churchofjesuschrist.org, ary manomeza alalana avy amin’ny fikirana kaonty (ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany).
  • Jereo ny fandraisan-kafatra na ny email anao mandritra ny iray andro. Raha tsy misy na inona na inona tonga dia miverena ao amin’ny FamilySearch.org, ary tsindrio ny Hiditra. Ampidiro ny solon’anaranao sy ny tenimiafinao, ary ny FamilySearch dia hanampy anao hamita ny famoronana ny kaontinao.

Efa manana kaonty ilay ankizy

Raha mahazo iray amin’ireo hafatra diso eto ambany ianao dia mety efa manana kaonty ilay ankizy:

  • "Mino izahay fa efa misy io kaonty io."
  • “Efa ampiasaina amina kaonty iray ny laharana fandefasan-kafatra nampidirinao.”
  • “Efa ampiasaina amin’ny kaonty iray io laharan’ny firaketana an’ny fiangonana io.”

Raha izany no mitranga dia tsindrio ny Hiditra. Avy eo, raha nanadino ny solon’anarana na ny tenimiafina ilay ankizy, dia ataovy ny iray na izy roa amin’ireto manaraka ireto:

  • Raha hamerina ny solon’anarana dia tsindrio Adino ny solon’anarana.
  • Raha hanarina ny tenimiafina dia tsindrio ny Adino ny tenimiafina.
  • Raha manana olana ianao, indraindray dia manampy ny mifindra amina mpitety aterineto hafa, toy ny Chrome, Edge, Firefox, na Safari.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba ahafahako mangataka ny FamilySearch hamerina handefa email fanamarinana ho an’ny kaontiko?
Ahoana no fomba ahafahako mangataka kaody fanamarinana indray mba hampandehanana ny kaontiko FamilySearch?
Ahoana no fomba hamoronako kaonty ao amin’ny Fiangonana amin’ny fampiasana ny churchofjesuschrist.org?

Nanampy anao ve ity?