Ahoana no hampidirako tantaram-piainana, fanazavana saropady ary fanazavana hafa ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Raha efa ao amin’ny Rafi-tetiarana ny olona iray, dia azonao hatsaraina ny firaketany, amin’ny alalan’ny fampidirana tantaram-piainana, ireo zavatra tena ilaina, na fanazavana hafa.

  • Ny tantara momba ny fiainan’ilay olona no antsoina hoe tantaram-piainana. Azo anoratana hatramin’ny litera 10 000 ny eo. Raha te hampiditra tantaram-piainana, dia tsy maintsy mampiasa ny Rafi-tetiarana ao amin’ny tranonkala FamilySearch.org ianao.
    • Amporisihinay ianao mba hanoratra ny tantaram-piainanao amina tahirin-kevitra iray aloha, izay vao mandika azy ao amin’ny Rafi-tetiarana. Mety ho lany mantsy ny fotoananao, ka mety ho very ireo asa nataonao.
  • Tafiditra ao amin’ny Fanazavana Saropady ny anarana, ny hoe lahy sa vavy, ny nahaterahana, batisa, fahafatesana, na ny fanazavana momba ny fandevenana. Afaka mampiditra fanazavana saropady avy ao amin’ny Rafi-tetiarana ao amin’ny tranonkala FamlySearch.org, application mobile, ary ny Family Tree Lite ianao.
  • Hita ao anatin’ny fanazavana hafa ny anarana fiantsoana, maty teo am-piterahana, asa natao, fananganana, asa miaramila, anaram-boninahitra, sy ny maro hafa. Afaka manampy fanazavana hafa amin’ny alalan’ny Rafi-tetiarana ao amin’ny tranonkala FamlySearch.org na ilay application mobile ianao. Tsy afaka mampiditra izany amin’ny alalan’ny Family Tree Lite ianao.

Dingana (tranonkala)

Fijery Mivelatra, Mitsangana, Kisary, ary Ara-taranaka

  1. Eo amin’ny zava-misy eny amin’ny farany ambony, tsindrio ny Rafi-tetiarana, ary tsindrio avy eo ny Tetiarana.
  2. Tadiavo ao amin’ny tetiarana ilay olona tianao hohatsaraina ny momba azy.
  3. Tsindrio ny anarany. Rehefa misy hafatra mipoitra eo, dia tsindrio indray ny anarany. Ho voatarika any amin’ny pejin’ilay olona ianao.
  4. Tsindrio ny vakizoro Antsipiriany na Fanisan-taona. Eo ambanin’ilay hoe Mombamomba ihany no hahitanao ny tantaram-piainana.
  5. Eo amin’ny hoe Mombamomba, tsindrio ilay telozoro eo akaikin’ny fizarana tsirairay mba hahitana ny fanazavana momba azy. Misy fizarana efatra lehibe eo: Tantaram-piainana, Saropady, Fanazavana Hafa, ary Lisitry ny Fianakaviana.
  6. Kitiho ilay rohy hoe Hanampy mifanandrify aminy. Rehefa tafiditra ianao, dia fidio ilay karazana fanazavana tianao hampiana.
  7. Ampidiro ilay fanazavana ary hazavao ny antony mahatonga anao matoky fa marina ilay izy. Tsy fanambarana ny anton’ny fanovana ny Tantaram-piainana.
  8. Tsindrio ny Hitahiry.

Fijerena ny Razambe Voalohany

I fijerena io dia afaka manampy hoe safidio ny trangam-piainana, zava-nisy, ary tantaram-piainana amin’ny pejin’olona iray ianao amin’ity fijery ity, kanefa tsy miala amin’ny Rafi-tetiarana saingy tsy afaka mampiditra fanazavana saropady kosa ianao.

  1. Midira ao amin’ny FamilySearch ary tsindrio ny Rafi-tetiarana, ary avy eo ny Tetiarana.
  2. Safidio ilay olona tianao hasiana fanovana ny momba azy.
  3. Tsindrio ny anarany.
  4. Misokatra eo ankavanana ny takelaka fanampiny momba an’io olona io. Tadiavo ilay fizarana ao amin’ny firafitra izay tianao hohatsaraina. Manana fahafahana hanindry 1 amin’ireto ianao:
    1. Hanampy trangam-piainana
    2. Hanampy zava-nisy
    3. Hanampy Tantaram-piainana(Fanamarihana: Tsy azonao ovana raha efa misy tantaram-piainana ao, raha tsy hoe miditra amin’ny pejin’ilay olona ianao. Raha izany no mitranga, dia tsindrio ny anarany eo akaikin’ny firafitra mba hidirana any amin’ny pejin’ilay olona.)
  5. Rehefa avy nifidy iray aminy ianao, dia fenoy araka izay vitanao ireo fanazavana ilaina. Aza adinoina ny manao ny fanambarana ny anton’ny fanovana ny ireo trangan-javatra sy ireo zava-nisy.
  6. Tsindrio ny Hitahiry.

Dingana (application mobile)

Afaka mampiditra fanazavana saropady sy fanazavana hafa ianao ao amin’ny application Rafi-tetiarana. Tsy afaka mampiasa ilay hoe tantaram-piainana ianao.

  1. Sokafy ilay application Family Tree, ary tadiavo ny pejin’ilay olona tianao hasiana fanatsarana.
  2. Tsindrio ny +.
  3. Fidio ilay karazana fanazavana tianao hampiana.
  4. Ampidiro eo amin’ny toerana tandrify azy ny fanazavana mifandray aminy. 
  5. Hazavao tsara eo amin’ny efajoro hoe Antony Ilazana fa Marina Ilay Fanazavana ny fomba nahalalanao fa marina ilay izy.
  6. Tsindrio ny Hitahiry.

Dingana (Family Tree Lite)

Afaka mampiditra fanazavana saropady ianao ao amin’ny Family Tree Lite. Tsy afaka mahita ny tantaram-piainana sy ny fanazavana hafa ianao.

  1. Midira amin’ny Family Tree Lite (lite.fs.org), tsindrio ny anaran’ilay olona tianao hohatsaraina ny momba azy.
  2. Kitiho ilay rohy hoe Hanampy mifanandrify aminy.
  3. Ampidiro eo amin’ny toerana tandrify azy ny fanazavana mifandray aminy. 
  4. Hazavao tsara eo amin’ny efajoro hoe Antony Ilazana fa Marina Ilay Fanazavana ny fomba nahalalanao fa marina ilay izy.
  5. Tsindrio ny Hitahiry.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no hanovako fampahalalana saropady ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Inona daholo no hita ao amin’ny pejy hoe Olona ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Inona no dikan’ilay hoe "Ity firaketana IGI ity no nampiasaina hamoronana io olona io"?
Ahoana no hahafantarako ny zanaka nateraka, zana-bady, natsangana, ary zaza notezaina ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Nanampy anao ve ity?