Hanapaingotra loharano amin’ny olona iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana

Ny Fampifandraisana Loharano dia mampiasa sary famantarana hoe Hampitaha izay miloko volomparasy mba hampandrenesana anao fa ny tsanganana ankavia (ny loharano) dia ahitana fampahalalana tsy misy ao amin’ny tsanganana ankavanana (Hazon’ny tetiaram-pianakaviana).

attach source Top Image.png

Raha toa ka hoy ianao hoe mamariparitra olona iray ihany ireo tsanganana dia azonao afindra avy amin’ny tsanganana ankavia mankeo amin’ny tsanganana ankavanana ilay fampahalalana mba hisehoan’izany eo amin’ireo tsanganana roa. Antsoina hoe fanapaingorana ny loharano ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana izany. Andeha hojerentsika akaiky ny fomba fiasan’izany.

  1. Miaraka amin’ny Fampifandraisana Loharano efa misokatra, tsindrio ny sary famantarana hoe Hampitahamiloko volomparasy. Raha tsy mahita ny sary famantarana Hampitaha ianao dia efa mipaingotra izay ny loharano, na tsy ahitana fampahalalana vaovao izany.  
  2. Aorian’ny fanindrianao ny Hampitaha, dia hihitatra ireo tsanganana Fampifandraisana Loharano 2 mba hahafahanao mahita ireo antsipiriany eo amin’ny firaketana (tsanganana ankavia) ka mampitaha azy amin’ireo antsipiriany momba azy efa misy ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana (tsanganana ankavanana).  
  3. Ny antsipiriany vaovao na tsy mbola fantatra teo aloha dia hanana bokotra fanampiny miloko maitso eo akaikiny.  
  4. Mba hampidirana ilay antsipiriany ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana dia tsindrio ny bokotra hanampymiloko maitso.  
    Attach to Person_2nd Image.png
  5. Hevero ny hampiditra fanazavana ao amin’ny faritra Antony. Hazavao fohifohy ny antony eritreretanao fa fampifandraisana azo antoka amin’ilay olona ao amin’ny hazon’ny tetiarana ilay firaketana. Izany dia hanampy ny mpampiasa hafa hatoky ny zavatra nandraisanao anjara.   

Midika inona ny mari-pamantarana hoe Hafa izay miloko volomparasy

Amin’ny tranga sasany dia tsy voatery hoe vaovao ilay antsipiriany ao amin’ny firaketana, fa hafa fotsiny amin’izay hitanao ao amin’ny lafiny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ao amin’ny Fampifandraisana Loharano. Ohatra, mety hoe hafa no nanoratana ny anarana iray, na mety hoe hafa ny datin’ny trangam-piainana manan-danja iray teo amin’ny fiainana.

Rehefa mitranga izany, dia tsy hahita ilay bokotra fanampiny miloko maitso ianao. Ho solon’izany kosa dia hisy mari-pamantarana miloko volomparasy, miaraka amin’ny teny hoe Hafa ao anatiny sy sary famantarana pensilihazo kely mba hanovana ny fampahalalana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana, ilay antsipiriany.

  • Ny maha Hafa azy dia tsy midika akory hoe mila misy fanovana hatao.  
  • Raha hoy ianao hoe marina kokoa na feno kokoa ny fampahalalana eo amin’ny tsanganana ankavia, dia tsindrio ilay sary famantarana pensilihazo ary ataovy ny fanovana tokony ataonao.  
  • Ny fanitsiana ataonao dia mahatonga ny hazon’ny tetiarana ho marina kokoa sy azon’ny mpampiasa hafa itokisana kokoa.  
Attach to Person_3rd Image.png

Nanampy anao ve ity?