Ahoana no hanovako fampahalalana saropady ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Afaka manitsy ny anarana, ny maha-lahy sa maha-vavy, na ny fanazavana momba ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’ny olona iray ianao ao amin’ny Rafi-tetiarana, na dia tsy ianao aza no nampiditra azy tao.

Mivelatra ho an’ny olon-drehetra ny Rafi-tetiarana. Hiseho eo amin’ny lisitry ny fanovana ireo fanovana nataonao, miaraka amin’ny Laharana ID-nao sy ny fomba ifandraisana aminao. Afaka mamerina ireo fanovana na ianao na ny olon-kafa.

Alohan’ny hanombohanao

  • Mifantoha amin’ny fanazavana marina. Izay fanovana hahatonga ny mombamomba ilay olona ho marina no ataovy.
  • Mivonòna hanazava ny fanovana nataonao, ary raha azo atao dia ampiaraho amin’ny loharano nakanao azy ilay izy.
  • Mifandraisa amin’ilay olona nanao ny fanovana farany aloha alohan’ny hanaovana fanitsiana. Mba hahitana ny fomba ifandraisana aminy, tsindrio ny anaran’ilay mpampiasa, avy eo tsindrio ny Hafatra.
  • Mety misy olon-kafa hijery ny mombamomba ilay olona ao amin’ny Rafi-tetiarana. (Azonao jerena hoe firy ny isan’ ny olona mijery azy rehefa manao ilay fanovana ianao.) Hahazo hafatra fampandrenesana amin’ny mailaka ireo olona mijery azy rehefa manao fanovana ianao. Afaka mifandray aminao ny hafa mba hiresadresahana momba ny fanovana nataonao.

Dingana (tranonkala)

  1. Midira ao amin’ny FamilySearch, avy eo tsindrio ny hoe Rafi-tetiarana. Avy eo tsindrio ny hoe Rafi-tetiarana.
  2. Tadiavo ilay olona tianao hohatsaraina ny mombamomba azy.
  3. Tsindrio ny anarany. Rehefa misy hafatra mipoitra eo, dia tsindrio indray ny anarany.
  4. Tsindrio ilay vakizoro Antsipiriany.
  5. Tsindrio ilay famantarana ny Hanova eo akaikin’ny fanazavana tianao hovana.
  6. Hamarino ny loharano sy ny fanambarana ny anton’ny fanovana. Raha mahatonga an’ilay fanazavana ho marina kokoa ilay fanovana nataonao izay vao tohizo.
  7. Raha hanova anarana, dia fidio ny fiteny mifanaraka aminy eo ambonin’ny faritra misy ny anarana.
  8. Ampidiro ireo fanovana entinao.
    • Raha afaka mamafa fanazavana ianao, dia hiseho eo amin’ny sisiny ankavia ilay bokotra hoe Hamafa. Ampidino mba hahitana azy.
  9. Raha manova daty na toerana ianao, dia fidio ny daty sy toerana fampiasa. Raha tsy misy fampiasa matetika, dia safidio ilay nampidirinao.
  10. Ampidiro ny fanambarana ny anton’ny fanovana. Hazavao ny antony maha-marina an’io fanazavana io. Raha mitombina ny fanambarana efa misy, dia avelao ho eo ihany ny fanazavana momba azy, avy eo ampidiro ny fanehoan-kevitrao.
  11. Tsindrio ny Hitahiry.

Mamporisika anao izahay mba hanavao ilay pejy rehefa voatahiry ny fanovana nataonao.

Dingana (application mobile)

  1. Tadiavo ny pejin’ilay Olona tianao hahitsy ny mombamomba azy.
  2. Tsindrio ny Antsipiriany.
  3. Eo amin’ny fizarana hoe Saropady, tsindrio ny fanazavana tianao hovana.
  4. Tsindrio ny Hanova.
  5. Hamarino ny loharano sy ny fanambarana ny anton’ny fanovana. Raha mahatonga an’ilay fanazavana ho marina kokoa ilay fanovana nataonao izay vao tohizo.
  6. Ovao ilay fanazavana, ary tsindrio ny Hanohy.
    • Raha afaka mamafa ilay fanazavana ianao, dia hahita hoe Hamafaeo amin’ny farany ambany ianao.
  7. Ampidiro ny fanambarana ny anton’ny fanovana. Hazavao ny antony maha-marina an’io fanazavana io. Raha mitombina ny fanambarana efa misy, dia avelao ho eo ihany ny fanazavana momba azy, avy eo ampidiro ny fanehoan-kevitrao.
  8. Tsindrio ny Hitahiry

Dingana (Family Tree Lite)

  1. Eo amin’ilay hoe Fianakaviana, tsindrio ny anaran’ilay olona tianao hahitsy ny fanazavana momba azy.
  2. Tsindrio ilay fanazavana tianao hovana, ary tsindrio ny hoe Hanova.
  3. Hamarino ny fanambarana ny anton’ilay fanovana. Raha mahatonga an’ilay fanazavana ho marina kokoa ilay fanovana nataonao izay vao tohizo.
  4. Ovao ilay fanazavana.
    • Raha afaka mamafa ilay fanazavana ianao, dia hahita hoe Hamafaeo amin’ny farany ambany.
  5. Ampidiro ny fanambarana ny anton’ny fanovana. Hazavao ny antony maha-marina an’io fanazavana io. Raha mitombina ny fanambarana efa misy, dia avelao ho eo ihany ny fanazavana momba azy, avy eo ampidiro ny fanehoan-kevitrao.
  6. Tsindrio ny Hitahiry

Rehefa vita

Raha azo atao, dia ampidiro foana ny loharano nahitanao ny fanazavana nampidirinao. 

Lahatsoratra mifandray

Diso ny vadin’ny olona iray ao amin’ny Rafi-tetiarana
Ahoana no hanitsiako ny rohim-pifandraisan’ny ray aman-dreny sy zanaka ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no hanitsiako ny lisitry ny lahy sy vavy ao amin’ny firaketan’ny olona iray ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no fomba hampidirako daty sy toerana ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no hampidirako tantaram-piainana, fanazavana tsaropady, ary fanazavana hafa ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no hampidirako ny anaran’ny razambeko raha niova ilay izy?
Ahoana no hanitsiako ny Fanazavana Hafa ao amin’ny rafi-tetiarana?

Nanampy anao ve ity?