Ahoana no hanovana ny olona iray hoe maty ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Raha mampiditra olona iray mbola velona nefa voalaza fa efa maty ao amin’ny Rafi-tetiarana ianao, dia azonao ampidirina ny mombamomba azy, mba ho hitan’ny hafa ny firaketany.

Torohevitra: Raha tsy hitanao ao amin’ny Rafi-tetiarana ilay olona nampidirinao, dia azonao tadiavina ao amin’ny lisitrao misy ny olona miafina.

Dingana (tranonkala)

  1. Midira ao amin’ny Rafi-tetiarana, dia ataovy ireto mba hitadiavana ilay olona:
    • Tadiavo ao amin’ny tetiarana ilay olona.
    • Sokafy ny lisitry ny Olona Miafina. Tsindrio ny hoe Ny Nampidiriko, avy eo dia tsindrio ny hoe Olona tsy natao ho zaraina. Ampidiro eo amin’ny Hikaroka ny anaran’ilay olona.
  2. Tsindrio ny anarany.
  3. Tsindrio ny hoe Olona
  4. Eo amin’ny fizarana hoe Fanazavana Saropady, tsindrio Hanova, ankavanan’ilay hoe Mbola Velona
  5. Tsindrio ilay faribolana akaikin’ny hoe Efa Maty.
  6. Ampidiro ny daty sy ny toerana nahafatesany ary fanamarinana fa marina ilay fanazavana.
  7. Tsindrio ny Hitahiry.

Dingana (application mobile)

  1. Midira ao amin’ny Rafi-tetiarana, dia ataovy ireto mba hitadiavana ilay olona:
    • Tadiavo ao amin’ny tetiarana ilay olona.
    • Sokafy ny lisitry ny Olona Miafina. Tsindrio ny e . Avy eo tsindrio ny hoe Ny Nampidiriko, ary avy eo dia tsindrio ny hoe Olona Miafina. Midìna kely ambany, dia ampidiro eo amin’ny Hikaroka ny anaran’ilay olona. Samihafa ny toerana misy an’ireo ao amin’ny application natokana ho an’ny Apple iOS sy Android.
      • Apple iOS: Eny ambany ankavanana
      • Android: Eny ambony ankavia.
  2. Tsindrio ny anaran’ilay olona.
  3. Tsindrio ny hoe Fahafatesana, eo amin’ny fizarana hoe Fanazavana Saropady,
    • Raha Apple iOS: Tsindrio ilayefajoro misy soratra hoe efa maty.
    • Android: Tsindrio ilay faribolana akaikin’ny hoe efa maty
  4. Ampidiro ny daty sy ny toerana nahafatesany ary fanamarinana fa marina ilay fanazavana.
  5. Tsindrio ny Hitahiry.

    Dingana (Family Tree Lite)

    1. Midira amin’ny Family Tree Lite (lite.fs.org), jereo ao amin’ny Rafi-tetiarana ilay olona.
    2. Eo amin’ny fizarana hoe Fanazavana Saropady, tsindrio ny hoe Hanampy, eo ambanin’ny hoe Fahafatesana.
    3. Tsindrio ilay faribolana akaikin’ny hoe Efa Maty.
    4. Ampidiro ny daty sy ny toerana nahafatesany ary fanamarinana fa marina ilay fanazavana.
    5. Tsindrio ny Hitahiry.

    Vokany

    • Misy firaketana 1 momba an’ilay maty ao amin’ny Rafi-tetiarana.
    • Hiseho daholo ny fahatsiarovana sy ny mombamomba ilay olona, ankoatra ireo fahatsiarovana izay nomarihinao hoe Miafina.
    • Lasa hitan’ny besinimaro ny firaketan’ilay olona. Azonao ampiasaina amin’izay izao ilay hoe hitady mba hitadiavana ilay firaketana.
    • Azonao aravonamiaraka amin’ny firaketany hafa ao amin’ny Rafi-tetiarana izao firaketana momba ity olona ity.

    Lahatsoratra mifandray

    Ahoana no fomba hampidirako daty sy toerana ao amin’ny Rafi-tetiarana?
    Tsy tena fantatro ny daty marina hampidirina ao amin’ny Rafi-tetiarana
    Ahoana no handravonako izay mety ho firaketana verin-droa ao amin’ny Rafi-tetiarana ?

    Nanampy anao ve ity?