Hanova ny mombamomba anao ao amin’ny hazon’ny-tetiaram-pianakavianao

edit family tree Top Image.png

Ireo antsipiriany ao amin’ny tsanganana havanan’ny Fampifandraisana Loharano dia avy ao amin’ny Hazon’ny-tetiaram-pianakaviana. Raha toa ka mahita bokotra Hampitaha miloko volomparasy eo akaikin’ny anaran’ilay olona ianao dia azonao ovaina ireo antsipiriany sasany ireo. Toy izao ny fandehan’izany:

  1. tsindrio ny bokotra Hampitaha eo akaikin’ny anaran’ilay olona izay tianao ovaina ny antsipiriany momba azy ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.
  2. Rehefa mivelatra ireo antsipiriany, dia tadiavo ny filazana hoe Hafa izay miloko volomparasy. Io filazana io dia miseho rehefa misy antsipiriany avy amin’ny loharano (tsanganana ankavia) hafa amin’ny antsipiriany misy ankehitriny ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.
    Edit_Second Image.png
  3. Tsindrio ny sary famantarana pensilihazo eo akaikin’ilay filazana miloko volomparasy.
  4. Hisy efijery kely hipoitra hahitana fampahalalana avy ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana. Tadiavo ny antsipiriany tianao hovaina, dia havaozy izany.
  5. Tsindrio ny Hitahiry.
Edit_Third Image.png

Raha toa ilay antsipiriany tianao hovaina ka tsy misy ilay sary famantarana pensilihazo, dia mila mandeha ao amin’ny pejin’ny razamben’ilay olona ianao mba hanaovana ny fanavaozana.

  1. Eo amin’ny tsanganana havanan’ny Fampifandraisana Loharano, tsindrio ny anaran’ilay olona izay tianao hovaina ny antsipiriany momba azy ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.
  2. Jereo ny faritra ho an’ny olona izay miseho eo amin’ny lafiny havanana eo amin’ny efijery, dia tsindrio ny Hijery Olona.
  3. Karohy ao amin’ny vakizoro misy ireo antsipiriany mandrapahitanao ny antsipiriany tianao hovaina, dia tsindrio ny sary famantarana pensilihazo.
Nanampy anao ve ity?