Hijery ny loharanon-tsary sy takelaka mitsivalana an’ilay olona

Rehefa manana fanontaniana momba ny pitsopitsony hitanao ao amin’ny Fampifandraisana loharanon-kevitra ianao dia andramo ny mijery na ny loharanon-tsary na ny takelaka mitsivalana an’ilay olona raha te hahazo fanazavana fanampiny.

new view source Top Image.png

Hijery ny loharanon-tsary

Ny loharanon-tsary dia sary nomerika an’ny loharanon-kevitra. Amin’ny toe-javatra maro, izy dia misy fampahalalana bebe kokoa noho izay hitanao ao amin’ny Fampifandraisana loharanon-kevitra ary mety hanambara fahadisoana amin’ny fandikana mihitsy aza.

Raha hijery ny loharanon-tsary dia jereo eo amin’ny zoro ambony havia amin’ny Fampifandraisana loharanon-kevitra, ary tsindrio ny Hijery Sary.

new View Panel_2nd Image.png

Inona no maha samy hafa ny mijery ny firaketana sy ny mijery ny sary?

Rehefa manindry ny Hijery Firaketanaianao dia mahita famintinana voarindra momba ny antsipiriany rehetra nadika avy amin’ny loharanon-kevitra.

Rehefa manindry ny Hijery Saryianao dia mahita sary nomerika misy ny tena loharanon-kevitra nadika—amin’ny teny hafa dia hoe: hitanao ny sarin’ny kopia nahaterahana, pejy fanisam-bahoaka, taratasy fanamarinana ny fahafatesana, na antontan-taratasy manan-tantara hafa.

HIjery ny takelaka mitsivalana an’ilay olona

Mipoitra ny takelaka mitsivalana an’ilay olona isaky ny manindry anarana eo amin’ny tsanganana havanana amin’ny Fampifandraisana loharanon-kevitra ianao. Ity takelaka ity dia manome anao fahafahana miditra amin’ny ankamaroan’ny fampahalalana voarakitra ao amin’ny pejin’ny razambe ao amin’ny Hazon-tetiarana.

  • Raha hijery ny takelaka mitsivalana dia mitadiava anarana eo amin’ny tsanganana havanana amin’ny Fampifandraisana loharanon-kevitra, ary tsindrio izany.
  • Na tsindrio ny Hijery_______ (anaran’ilay olona), hita eo amin’ny fanambonin’ny Fampifandraisana loharanon-kevitra.
new View Panel_3rd Image.png

Nanampy anao ve ity?