Aiza no hahitako ireo hafatra ho ahy?

Ny Hafatra ao amin’ny FamilySearch dia fitaovana ifandraisana amin’ny olona hafa mampiasa ny FamilySearch. Ny hafatra voalohany dia tsy maintsy alefa amin’ny alalan’ny safidy Handefa hafatra izay hitanao rehefa manindry ny anaran’ny mpandray anjara iray ao amin’ny Family Tree ianao. Rehefa lasa ilay hafatra voalohany dia afaka manomboka mifandray amin’izany olona izany ianao amin’ny alalan’ny Hafatra.

Mba ampiasao ny Hafatra ao amin’ny FamilySearch mba hizarana fahatsiarovana sy hahitana zavatra bebe kokoa momba ny razambenao. Raha sendra maharay hafatra tsy ilaina na manafintohina ianao dia misy ireto safidy manaraka ireto ho anao:

  • Azonao taterina ho mihoa-pefy ilay hafatra.
  • Azonao fafana tsy ho ao amin’ny fandraisanao hafatra ilay hafatra.
  • Azonao atao ny tsy mandray hafatra intsony avy amin’ilay olona izay nandefa ilay hafatra mba tsy ho hitanao intsony ny hafany.

Raha hiditra amin’ny Hafatra, dia midira aloha.

Dingana (tranonkala)

  1. Tsindrio ny sarina Hafatra ao amin’ny zorony ambony havanana amin’ny FamilySearch.org. Efajoro kely fifampiresahana misy tsipika telo mitsivalana ao anatiny ilay sary.
  2. Hisy efajoro mampiseho ireo hafatrao mipoitra. Raha handeha amin’ny pejy fototry ny Hafatra dia tsindrio ny Haseho ny hafatra rehetra.
    • Azonao savaina ihany koa ilay fampisehoana dia tsindrio ny hafatra tianao hovakina.

Dingana (application mobile)

  1. Sokafy ilay application mobile Arbre familial.
  2. Sokafy ny efijery misy ireo safidy.
    • Apple: Kitiho ny teboka 3 eo amin’ny zorony ambany havanana amin’ny efijery.
    • Android: Kitiho ny teboka 3 eo amin’ny zorony ambony havia amin’ny efijery.
  3. Tsindrio ny Hafatra
  4. Hiseho eo amin’ny efijery ireo hafatrao. Tanisaina eo ambonin’ireo hafatra ireo sokajin-kafatra. Raha hivadika sokajy dia kitiho ny sokajy tianao hojerena.
  5. Savao ny lisitr’ireo hafatra mandra-pahitanao an’ilay tianao hovakina. Kitiho ilay hafatra raha tianao hovakina.
  6. Raha hamaly dia ampidiro eo amin’ny efajoro kely eo ambany amin’ny efijery ny hafatrao.
  7. Rehefa vitanao dia kitiho ilay sarina fandefasana.

Dingana (Family Tree Lite)

Indrisy fa ny Family Tree Lite dia tsy manolotra ny fandefasana hafatra. Iangaviana ianao mba hampiasa ny tranonkala FamilySearch.org na ny application Arbre familial.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba ampiasako ny Hafatra ao amin’ny FamilySearch?
Ahoana no hanaovako tatitra momba ny fihoaram-pefy, ny zavatra manimba, fahatsiarovana tsy araka ny tokony ho izy, ary votoatiny hafa?
Ahoana no hamafako hafatra ao amin’ny FamilySearch?
Inona no hatao mba tsy handraisako hafatra intsony avy amina olona iray na hanakanana olona iray tsy handefa hafatra amiko?

Nanampy anao ve ity?