Lasa miseho ho lasa azon’ny rehetra jerena ve ny olona tsy natao ho jeren’ny rehetra ao anatin’ny Rafi-tetiarana?

Amin’ny tranga sasantsasany dia lasa azon’ny rehetra jerena ny olona tsy natao ho jeren’ny rehetra ary hitan’ny rehetra mpampiasa ny tetiarana. Mitranga io fiovana io 150 taona taorian’ny fahaterahan’ilay olona tsy natao ho jeren’ny rehetra. Raha toa tsy misy daty nahaterahana ilay olona dia ataonay ny fanovana rehefa feno 150 taona ny nahafatesany. Ny sasantsasany amin’ireo olona tsy natao ho jeren’ny rehetra dia mitoetra ho tsy azo jerena hatrany mandritrany fotoana tsy voafetra.

Raha mila fanampiana mikasika io olana io ianao dia mifandraisa amin’ny Sampam-panampiana an’ny FamilySearch. Omano ity fampahalalana ity raha te hahazo valiny haingana:

  • Anaran’ireo razambe
  • Ny momba ny nahaterahana sy nahafatesana.
  • Laharam-pamantarana momba ilay olona avy ao amin’ny rafi-tetiarana.
  • Rohim-pifandraisanao amin’ilay razambe efa maty.
  • Solon’anaranao sy ny laharam-pamantaran’ilay manampy

Lahatsoratra mifandray

Nahoana ireo olona efa maty no mipoitra ao anatin’ny lisitry ny olona natao ho ahy manokana ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Nanampy anao ve ity?