Mikasika ny mombamomba ny tena ao amin’ny FamilySearch

Ny olona tsirairay izay misoratra anarana ao amin’ny FamilySearch dia manana pejy milaza ny momba ny tenana manokana ho an’ny kaonty. Ovao ny mombamomba ny tenanao ao amin’ny FamilySearch mba hanamboarana ny fisehonao amin’ireo mpampiasa ny FamilySearch hafa, ny zavatra izay tokony ho hitan’ny daholobe, sy ny zavatra tokony hotazonina ho an’ny tena manokana.

Ny mombamomba ny tenanao dia ahitana an’izao fikirana fampahalalana manaraka izao:

Sary: Ny fanondranana sary ho an’ny mombamomba ny tenanao ao amin’ny kaonty FamilySearch dia afaka manampy amin’ny fanavahana anao amin’ny olon-kafa izay manana kaonty mitondra anarana mitovy. Hevero ny hanondrana sary voavolavola na sary ankafizinao raha tsy mahazo aina ianao amin’ny famoahana sary tena izy. Raha mbola tsy nanondrana sary ianao dia hampiseho ny litera voalohany amin’ny laharam-pamantaranao ao amin’ny kaontinao FamilySearch ilay toerana fasiana sary.

Anarana: Io no anarana izay ahafantarana anao ao amin’ny FamilySearch. Hitan’ny hafa foana izy io ary mety ho anarana feno, anarana ampahany, na anaram-bositra mihitsy aza. Mandra-panamboaranao manokana an’io saha io dia ny laharam-pamantaranao no ampiasaina ao amin’ny saha fasiana ny anarana. TSY voatery ho anao manokana ny anarana nofidinao ary mety ho zavatra manafina ny tena momba anao nefa mamela ireo olona fantatrao hahita anao.

Laharam-pamantarana: Ny laharam-pamantarana dia nomena ny kaontinao tamin’ny fotoana nisoratanao anarana. Azo ovaina izany saingy mila miavaka, izany hoe tsy misy olon-droa afaka manana laharam-pamantarana mitovy. Ity laharam-pamantarana ity dia mifandraika amin’izay zavatra ampidirinao na ovainao ao amin’ny FamilySearch. Iangaviana ianao mba tsy hampiasa mari-piatoana amin’ny laharam-pamantaranao.

Toerana: Misy toerana ho an’ny firenena na faritra misy anao ny mombamomba ny tenanao. Takina io saha io, saingy azo atao ho an’ny tena manokana izany. Ny fanaovana ny toerana misy anao ho hitan’ny daholobe dia manampy hanavaka anao amin’ireo mpampiasa FamilySearch hafa rehefa miezaka manatona anao ny namana na mpikaroka hafa.

Kaonty manokana

Misy kaonty sasany izay voatondro ho azy ho kaonty manokana.

Latsaky ny 18 taona: Ny kaonty ho an’ireo latsaky ny 18 taona dia napetraka hatrany am-boalohany ho kaonty manokana. Ny tompon’ny kaonty dia afaka manavao ny fampahalalana momba ny tenany saingy hijanona ho kaonty manokana foana ilay kaonty. Raha 18 taona na mihoatra ianao ary voamarika hoe “Manokana” ny kaontinao, dia hamarino fa nampidirinao araka ny tokony ho izy tao amin’ny fikirana ny kaonty ny fampahalalana momba ny daty nahaterahanao.

Fameperana avy amin’ny Fitondram-panjakana: Ny fitondram-panjakana na ny kolontsaina sasany dia mametra ny habetsaky ny fampahalalana manokana azo angonin’ny tranonkala iray na zarainy. Raha toa ianao ka mino fa tamim-pahadisoana no nanasiana marika hoe “Manokana” ny kaontinao dia midira ao amin’ny fikirana ny FamilySearch ary ataovy izay hahazoana antoka fa nofantenina araka ny tokony ho izy ny fampahalalana momba ny Firenenao na ny Faritra misy anao.

Nanampy anao ve ity?