Ahoana no hanaisorako ny fisoratana anarana na hisoratako anarana amin' ny email fampahafantarana sy filazam-baovao?

Araho ireo filazam-baovao ao amin' ny FamilySearch amin' ny alalan' ny email fampahafantarana, filazam-baovao, na hafatra an-telefaonina. Safidio izay tianao ho azo. Azonao alefa sy ajanona amin' ny fotoana rehetra ilay izy.

Manampy anao hahita tombony maro amin' ilay tranonkala ny fampahafantarana:

  • Fiaraha-miasa amin' ny hafa.
  • Hahafantaranao ireo zava-baovao ao amin' ny tranonkala.
  • Hanomboka amin' ny tantaram-pianakaviana.
  • Mahita an' izay mitranga ao amin' ny RootsTech.

Raha mandray anjara amin' ny fanaovana indeksa ianao, dia afaka misoratra anarana amin' ny email fanaovana indeksa

Dingana (tranonkala)

  1. Midira ao amin' ny firafitry ny fampahafantarana ao amin' ny FamilySearch.
  2. Raha tianao halefa ny fampahafantarana amin' ny alalan' ny email, dia safidio eo amin' ilay lisitra ny email tianao ho azo ary akisaho ilay bokotra eo akaikiny. Raha tsy te hisoratra anarana amin' ny email fampahafantarana rehetra ianao, dia safidio ny hoe Tsy Hisoratra Anarana amin' ny Hafatra Rehetra , eny ambany amin' ny efijerinao.
  3. Raha te hahazo fampahafantarana amin' ny fiteny samihafa, dia tadiavo eo amin' ny lohateny eny ambanin' ny pejy ilay fiteny. Tsindrio ny hoe Hanova Fiteny . Tsindrio izay fiteny tianao.

Ho voatahiry ho azy ny fanovana nataonao.
Afaka manafoana ny fisoratana anarana koa ianao rehefa mahazo email. Tsindrio ny rohy mifandray amin' izay eny ambanin' ilay email.

Mandefa fampahalalana amin'ny alalan'ny Hafatra FamilySearch koa ny FamilySearch. Tsy afaka manala ny hafatra ianao.

Dingana (application mobile)

  1. Kitiho ireo tsipika 3.
  2. Kitiho ny hoe Fanamboarana.
  3. Kitiho ny hoe Fisoratana Anarana.
  4. Velomy na vonoy ilay bokotra.

Ho an' ny app Android Tree ihany:Rehefa vitanao ny dingana 1-4, dia araho ireto dingana manaraka ireto mba hanamboarana ny fampahafantarana:

  1. Miverena amin' ny efijery teo aloha, ary kitiho ny Fampahafantarana.
  2. Tsindrio ny bokotra famelomana sy famonoana eo amin' ny fampahafantarana tsirairay.

Dingana (Family Tree Lite)

Tsy afaka manova ny fampahafantarana amin' ny alalan' ny Family Tree Lite ianao.

Tsy mahazo an' ilay email nisoratanao anarana ianao

Raha tsy mahazo an' ilay email nisoratanao anarana ianao, dia hamarino ireto:

  • Raha manana adiresy email maromaro ianao, dia jereo sao tsy ilay kaonty misy an' ilay fisoratana anarana no nojerenao. Any amin' ilay email napetrakao ao amin' ny fanamboarana fomba ifandraisana ao amin' ny FamilySearch no andefasana ny filazam-baovao.
  • Mety ho nosivanin' ny adiresy email anao ilay email ka natao any amin' ny spam. Jereo ao. Raha hitanao ao, dia avaho hoe ilaina ilay izy.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no hanamboarako ny mahakasika ahy manokana ao amin' ny FamilySearch?
Ahoana no hanovàko ny fiteny amin' ny email fampahafantarako?

Nanampy anao ve ity?