Miverina indroa ny fifandraisan’ny razambeko sy ny ray aman-dreny iray ao amin’ny Rafi-tetiarana

Fantaro ireo rohim-pihavanana verin-droa, eo amin’ny zanaka sy ray na reny iray ao amin’ny Rafi-tetiarana. Fafao ilay rohim-pihavanana verin-droa, mba hanitsiana ilay olana.

Amin’ny ankapobeny, ny rohim-pihavanana izay samy ahitana ny anaran’ny ray sy ny reny no tena marina. Mifanohitra amin’izay, ny anaran’ny ray na reny ihany no mipetaka eo amin’ny rohim-pihavanana verin-droa. Misy soratra hoe “tsy fantatra” kosa eo amin’ilay ray na reny hafa. Fafao ilay rohim-pihavanana.

Alohan’ny hanombohanao

Hanampy kokoa anao ny fanoratana ny anarana, laharana ID, na ny rohim-pihavanan’ireo razambe voakasika, raha hanamboatra ny rohim-pihavanan’ny zanaka sy ny ray aman-dreny ianao. Aza adinoina fa raha nanao hadisoana ianao, dia mbola afaka mampiasa ny lisitry ny fanovana vao haingana mba hamerenana ny fanovana nataonao.

Dingana (tranonkala)

  1. Eo amin’ny zava-misy eny amin’ny farany ambony, tsindrio ny Rafi-tetiarana, ary tsindrio avy eo ny Rafi-tetiarana.
  2. Tadiavo ilay zanaka misy rohim-pihavanana verin-droa.
  3. Tsindrio ny anarany. Rehefa misy hafatra mipoitra eo, dia tsindrio indray ny anarany.
  4. Tsindrio ny hoe Antsipiriany.
  5. Jereo ny fizarana hoe Lisitry ny Fianakaviana. Tadiavo eo ambanin’ilay ray aman-dreny tsy fanta-bady ilay zanaka. 
  6. Tsindrio ilay famantarana hoe Hanova .
  7. Tsindrio ilay hoe Hanala na Hanolo, eo akaikin’ny anaran’ilay zanaka.
  8. Mba hanambarana fa nohamarininao ilay rohim-pihavanana, ny loharano, ary ireo fanamarihana momba an’ilay olona, dia tsindrio ny efajoro fanamarinana.
  9. Tsindrio ny hoe Hanala ny ray aman-dreny.
  10. Hazavao ny antony, avy eo dia tsindrio ny hoe Hanala.
  11. Havaozy azafady ilay pejy. Tsy ho hitanao intsony ilay zanaka sy ilay ray na reny tokan-tena.

Dingana (application mobile)

  1. Sokafy ilay application Rafi-tetiarana, ary tadiavo ny pejin’ilay zanaka misy rohim-pihavanana verin-droa.
  2. Tsindrio ny hoe Ray aman-dreny .
  3. Tadiavo ny anaran’ilay zanaka, tsindrio ilay famantarana hoe hanova.
  4. Tsindrio ny Ray aman-dreny Diso.
  5. Hazavao ny antony, avy eo dia tsindrio ny hoe Hanala. (Ho an’ny Apple iOS, tsindrio ny hoe Hanohy mba hahafahanao manazava ny anton’ilay fanovana nataonao, avy eo dia tsindrio ny hoe Hanala.)
  6. Rehefa vita ireo dingana rehetra, dia tsy ho hitanao intsony ilay zanaka sy ilay ray na reny tokan-tena.

Dingana (Family Tree Lite)

  1. Rehefa tafiditra ao amin’ny Family Tree Lite ianao, dia midira amin’ny hoe Olona ary tadiavo ny pejin’ilay zaza misy diso ny ray aman-dreniny.
  2. Tsindrio ny hoe Hijery ny Fianakaviany, eo ambanin’ny anarany.
  3. Tadiavo eo ambanin’ilay hoe Ray aman-dreny sy Iray Tam-po ny anaran’ilay zanaka, avy eo tsindrio ny famantarana ny Hanova.
  4. Raha samy tianao hoesorina ireo ray aman-dreny, dia tsindrio ny hoe Hanala na Hanolo eo akaikin’ilay zanaka.
  5. Hazavao ny antony, avy eo dia tsindrio ny hoe Hanala.
  6. Havaozy azafady ilay pejy. Tsy ho hitanao intsony ilay zanaka sy ilay ray na reny tokan-tena.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no hanitsiako ny rohim-pihavanana ray aman-dreny sy zanaka ao amin’ny rafi-tetiarana?
Ahoana no ahitako ny fanazavana novana momba ny olona iray ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Miverimberina imbetsaka ny anaran’ilay zanaka ao amin’ny Rafi-tetiarana

Nanampy anao ve ity?