Tenifototra famantarana

Afaka mampiditra tenifototra famantarana lohahevitra ianao mba hamaritana sary sy tantara ary raki-peo ao amin’ny FamilySearch. Toy ny hoe: fomba fahandro, maherifo an’ady, batisa Mahatonga ireo fahatsiarovana ho mora tadiavina ny tenifototra famantarana.

Torohevitra momba ny tenifototra famantarana lohahevitra

  • Azoanao atao ny manisy indray mandeha tenifototra famantarana tokana ho ana fahatsiarovana maro.
  • Ny mpampiasa rehetra dia afaka manisy na manaisotra tenifototra famantarana lohahevitra eo amin’ny fahatsiarovana iray.
  • Ireo tenifototra famantarana lohahevitra dia tsy azo asiana emoji na ireto endri-tsoratra manaraka ireo: ~!@#$%&*(){}[]<>?/|\:;_+=.
  • Raha toa ianao ka mampiasa anarana hatao tenifototra famantarana lohahevitra dia tsy araikitry ny rafitra eo amin’ny olona ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana izany. Aleo ianao mampiasa tenifototra famantarana olona.

Zavatra hafa fanampiny

Ahoana no fomba hanampiako na hanesorako lohahevitra famantarana ao amin’ny Ireo Fahatsiarovana?

Nanampy anao ve ity?